Ny atônisma dia fivavahana tany Egipta tamin' ny Andro Taoha tamin' ilay andriamanitra atao hoe Atôna, izay nampandrosoin' ilay faraôna atao hoe Amenôtepa III niova anarana hoe Akenatôna. Ny fivavahana tamin' i Atôna anefa nilaozan' ny olona tamin' ny fiafaran' ny fanapahany ka nafindran' i Totankamôna vinantony tany Tebay indray ny renivohitra.

Sary maneho ny fivavahana amin' i Atôna

I Atôna, iray amin' ireo andriamanitry ny Egiptiana hanova

Ny fivavahana tamin' i Atôna dia efa nisy tamin' ny andron' ny farao Tôtmôsisy IV sy ny farao Amenôtepa III, ary nanjary andriamanitra tokana izy tamin' ny andron' ny farao Akenatôna tamin' ny taonjato faha-14 tal. J.K. (taona 1350 -- 1333 tal. J.K.). Niezaka ny hanafoana ny fivavahana tamin' i Amôna izy mba hampanjakany ny fivavahana amin' ny andriamanitra Atôna, andriamanitra masoandro.


I Atôna dia andriamanitr' i Egipta tamin'ny Andro Taloha. Ny fiandohany dia tranainy kokoa noho ny maha fototra hita maso ny andriamanitra Atoma-Ra azy araka ny lazain' ireo lahatsoratra hita tamin' ireo piramida tamin' ny fiafaran' ny Empira Voalohany.

I Akenatôna irery ihany no lazaina fa ntarika izany fiovana ara-kolontsaina sy ara-pivavahana izany, nefa mety tsy nanao afa-tsy nanery ny hanatanterahana ny firehana izay efa nisy tamin'ny fanapahan'ny rainy Amenôtepa III. Nivavahana noho izany ny Kapila-Masoandro.

I Atôna, lasa andriamanitra tokana hanova

Tamin' ny fahefa-taonan' ny nanjakany dia nandidy ny tsy hivavahana afa-tsy amin' i Atôna manerana an' i Egipta i Amenôfisy IV. Tsy nankasitraka izany ireo mpisoron' ny andriamanitra Amôna-Re (na Amôna-Ra) tao amin' ny tanànan' i Tebay (na Teba).

Andriamanitra tokana hanova

 
Akenatôna

Nanome anjara toerana lehibe ny fivavahana amin' i Atôna nandritra ny fanjakany i Amenôtepa III, nefa ny zanany atao hoe Amenôtepa IV no niantso tena hoe Akenatôna ("zanak' i Atôna" na "ilay ankasitrahan' i Atôna"). Ny farao Akenatôna ihany no mpanelanelana ny olombelona amin' i Atôna. Zava-baovao izany satria nanana mpisorona ny manelanelana azy amin' ny andriamanitra ny fivavahana egiptiana pôliteista talohan' io. Nandao an' i Tebay ka nanorina renivohitra vaovao, izay nantsoiny hoe Aketatôna (izay atao hoe Tell el-Amarna ankehitriny), i Akenatôna. Tao no nanaovana ny fanompoam-pivavahana natokana ho an' i Atôna, ary nofoanany ny fivavahana amin' ireo andriamanitra maro tao Egipta izay tokony ho nolovany tamin' ireo razany. Nataony izay tsy hampanana fahefana ny mpisorona niezaka ny hihazona ny fivavahana amin' i Amôna.

Finoana momba an' i Atôna hanova

Ninoana fa i Atôna no namorona izao tontolo izao. I Atôna, izay sady ray no renin' ny zavaboary, dia andriamanitra tokana nanoloana ny fivavahana tamin' andriamanitra maro teo amin' ny tany manodidina ny fanjakan' ny farao tamin' izany fotoana izany. Andriamanitra mahasahana izao rehetra izao izy ka tsy voafetra ho an' ny tombontsoan' i Egipta irery ihany.

Fanehoana an' i Atôna hanova

Tamin' ny andron' i farao Akenatôna dia tsy nanana endrika azo tsapain-tanana afa-tsy ny kapilan' ny masoandro mandefa ny tara-pahazavany isan' andro avy eny amin' ny lanitra i Atôna, ka tsy nisy sary voasokitra hafa nenti-naneho azy.

Faharavan' ny atônisma hanova

Niserana fotsiny teo amin' ny tantaran' ny fivavahana tao Egipta fahiny ny fivavahana tamin' i Atôna satria taorian' ny nahafatesan' i Akenatôna dia rava ny naha andriamanitra tokana an' i Atôna. Naverin' ilay vinantony atao hoe Totankamôna indray tany Tebay (na Teba) ny renivohitra sady naveriny koa ny fivavahana amin' andriamanitra izay nahazatra ny Egiptiana talohan' i Akenatôna. Lasa nanompo an' i Amôna sy ny andriamanitra egiptiana maro hafa indray ny farao nandimby an' i Akenatôna.

Ny fivavahana amin' i Atôna no mônôteista fantatra voalohany eto amin' izao tontolo izao, araka ny hevitry ny olona sasany (nefa toherin' ny olona hafa sasany koa, izay mihevitra fa henôteisma na mônôlatria no tena izy) dia naharitra valo taona.

Fampifandraisan' i Freud ny atônisma sy ny iahvisma hanova

I Freud, ilay psikanalista malaza, dia nihevitra fa ny fivavahana amin' i Atôna no niandohan' ny fivavahan' ny Hebreo amin' Andriamanitra tokana, nefa lavin' ny mpahay tantara momba ny fivavahana izany[1].

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Mireille Hadas-Lebel, Monothéisme et exil de Babylone : 5. De la monolâtrie au monothéisme ?, sur Massorti.com, 17 juillet 2008, [tahiry].