Asa Vita Ifampitsarana

Ny Asa Vita no Ifampitsarana (AVI) dia antoko pôlitika eto Madagasikara naorin' i Norbert Lala Ratsirahonana tamin' ny taona 2001. Ny AVI dia nanohana an' i Marc Ravalomanana, kandidan' ny mpanohitra, tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2001. Taorian' ny fifidianana an' i Marc Ravalomanana dia nandray anjara tao amin' ny governemanta ny AVI. I Julien Reboza, izay mpikambana ao amin' ity antoko ity, no lasa minisitry ny fanajariana ny tany tamin' ny governemanta voalohany notendren' i Marc Ravalomanana tamin' ny 1 Marsa 2002.

Tamin' ny 16 Janoary 2003 dia nosoloana an' i Roger Mahazoasy (minisitry ny Fizahantany) sy i Jean-Jacques Rabenirina (minisitry ny Asa sy ny Lalàna Sôsialy) ho solon-tenan' ny AVI ao amin' ny governemanta i Reboza, ary tao amin' ny governemanta natsangana tamin' ny 5 Janoary 2004 dia i Rabenirina no tafajanona tao, izay hany minisitra AVI (minisitry ny Kolontsaina sy ny Fizahantany).

Ny taona 2006 no nanapa-kevitra ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena i Norbert Ratsirahonana, filoha mpanorina ny AVI, ka nifarana ny fiarahan' ny antokony tamin' i Marc Ravalomanana. Nesorina tao amin' ny governemanta i Rabenirina tamin' ny 4 Ôktôbra 2006. Nahazo 4,22 % amin' ny isam-bato Ratsirahonana tamin' ity fifidianana ity. Ny AVI dia nisafidy ny hanao ankivy ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana tamin' ny Avrily 2007.

Tamin' ny 26 Ôktôbra 2007 dia nanambara izy fa manao ankivy ny fifidianana solombavambahoaka nokasaina hatao amin' ny faran' ny taona 2007. Nanomboka tamin' ny fifidianana tamin' ny 23 Septambra 2007 dia tsy nanana solon-tena tao amin' ny Antenimiera intsony ity antoko ity.

Jereo koa hanova