Apôkalipsin' i Adama

(tonga teto avy amin'ny Apokalipsin'i Adama)

Ny Apôkalipsin' i Adama dia asa soratra apôkaliptika isan' ireo boky hita tao amin' ny tahirim-bokin' i Nag Hammadi ka heverin' ny mpikaroka fa nosoratana tamin' ny tamin' ny taonjato voalohany na faha-2 taor. J.K. Manaraka ny firehana gnôstika setiana io boky io. Araka ny teny fampidirana sy ireo fehezanteny farany dia mirakitra ny fanambaràna tamin' i Adama ilay asa soratra.

Ahitana ny fiantraikan' ny fivavahana egiptiana sy grika koa ilay asa soratra. Iadian-kevitra ny andro nanoratana ilay apôkalipsy: talohan' ny vanim-potoana kristiana na nandritra io vanim-potoana io. Mety tany amin' ny taonjato voalohany tany no nanombohana nandrafitra azy.

Tamin' ny faha-700 taonany i Adama dia nitantara tamin' i Seta zanany: ny amin' i Eva aloha, avy eo ny Famoronana ny Olombelona, avy eo ny fomba nahafantarany ny tenim-pahalalàn' ilay Andriamanitra mandrakizay avy tamin' i Eva ary ny maha mahery kokoa azy sy i Eva noho ilay heverina ho mpamorona azy ireo sy ny fotoana feno voninahitra niainan' izy ireo talohan' ny fahalavoana. Izany fahalalana izany anefa dia very tamin' ny fahalavoany raha nampisaraka an' i Adama sy i Eva ilay mpamorona ambany atao hoe demiorgo. Nanomboka ny fotoam-patahorana sy fahandevozana ary nanam-pahefana tamin' ny olona amin' izay ny fahafatesana.

Notantarain' i Adama ny fomba nahatonga ny fahaterahan' i Seta tamin' ny alalan' ny vahiny telo mahagaga ary ny nitahirizany izany fahalalana izany. Avy eo dia naminany i Adama fa efa manandrana ela ny hanapotika ny Olombelona ilay adriamanitra ambany, isan' izany ny faminaniana ny amin' ny Safodrano lehibe sy ny fanandramana fandravana amin' ny afo ary ny fisaratsarahan' ny taranak' i Nôa (na Nôe) taorian' ny Safodrano. Hisy anefa Mpanazava na Mpanavotra ho avy any am-parany. Rehefa tonga io Mpanazava io dia hisy fanjakana telo ambin' ny folo hilaza tantara telo samy hafa izay manambara ny hahaterahan' ilay Mpanazava; nefa ilay "taranaka tsy misy mpanjaka" no hanambara marina. Voaresaka ny hampiharana ny sazy apôkaliptika amin' ny diso fahalalana sy ny fampanantenana fanavotana ho an' ireo manam-pahedrena.

Jereo koa hanova