Antoko pôlitika

(tonga teto avy amin'ny Antoko politika)

Ny antoko pôlitika dia vondron' olona voalamina mpifidy izany matetika dia mampandroso ireo kandidà ho amin' ny seza ao amin' ny biraom-panjakana. Ao amin' ny demôkrasia, ny mpitarika dia tsy maintsy "mikendry seza" amin' ny fifidianana. Ao amin' ny didy jadona amin' ny ankapobeny dia antoko pôlitika iray ihany no avela hisy, antoko mankasitraka ny mpitondra iray ary tsy manome safidy ho an' ny tsy mpikambana.

Ny antoko pôlitika dia vondron' olona manana hevitra ara-pôlitika iraisana mitambatra ho fikambanana. Afaka manao izay hitaomana ny fitondram-panjakana izy, amin' ny fanohanana raha avy aminy io antoko io, na amin' ny fanoherana izany. Izy ihany koa no manolotra ny kandidà ho azy manokana amin’ny fifidianana isan-karazany sy amin’ny fiezahana hahazo ny fahefana ara-pôlitika. Afaka mitaona ny saim-bahoaka koa ny antoko pôlitika. Afaka manatrika ny fivorian’ ny Antenimiera izy.

Amin'ny ankapobeny dia misy famaritana roa ny hevitry ny antoko pôlitika. Ny voalohany, amin' ny lamina ideôlôjika, dia saika mitovitovy amin'ny ankolafy: dia ny fampiasana ny tenin'i Benjamin Constant, "fivorian'ny lehilahy izay mitory fotopampianarana ara-pôlitika mitovy".

Ny faharoa, amin'ny endrika andrim-panjakana, dia mahita azy io ho singa manan-danja amin'ny lalao demôkratika: "dia ny fandraisana ny antoko pôlitika ho endrika ara-pôlitika, rafitra fandaminana ny demôkrasia".

Jereo koa hanova