Ny Ansar Dine na Ansar Eddine dia vondrona mitam-piadiana jihadista salafista naorina sy tarihin' i Iyad Ag Ghali. Nipoitra tamin' ny fiandohan' ny taona 2012 ity vondrona ity, ary anisan' ny vondrona mitam-piadiana lehibe nandray anjara amin' ny Ady tao Maly. Amin' ny teny arabo ilay fikambanana dia atao hoe أنصار الدين /ʾAnṣār ad-Dīn, "Ny Mpiaro ny fivavahana".

Sainan' ny Ansar Dine

Tamin' ny 1 Marsa 2017 dia nitambatra tamin' ny vondrona jihadista maro hafa ny Ansar Dine mba hanangana ny Groupe de soutien à l'islam et aux musulmans ("Vondrona Mpanohana ny finoana silamo sy ny Mozilmana") izay nijanona teo ambany fitarihan' i Iyad ag Ghali.

Ity vondrona ity dia tsy tokony hafangaro amin' ilay mitovy anarana aminy, izay hetsika natao ara-dalàna tamin' ny taona 1992, izay milaza ho manana mpanohana miisa 800 000 notarihan' ny mpitory teny Chérif Ousmane Haïdara, filoha lefitry ny Haut Conseil islamique malien ("Filankevitra Ambony Islamika Maliana").