Ankizy
Ny ankizy dia olombelona manomboka eo amin' ny fotoana nahaterahany ka hatramin' ny fahalebeazany, izany hoe mifarana eo amin' ny faha-18 taona, na vavy na lahy. Amin' ny kolontsaina maro dia tezaina manaraka ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreny ny ankizy, ary beazina amin' ny fomba tsara sady môdely izy. Tokony manana zo feno ary voahaja ny ankizy rehetra.

Ankizy malagasy
hanovaRaha eo amin' ny fomba fitaizana malagasy dia mbola atao hoe zaza ny olona iray vao teraka hatramin' ny faha-19 taona. Rehefa katroka 20 taona miakatra dia efa mahaleo tena ka efa tsy zaza intsony izy. Misy lanjany ny manara-maso ny fivoaran' ny toetran' ny mpianatra tanora kokoa amin' ny fahazavan' ny fananganana ny toerany anatiny, ny vokatr' izany dia ny fitondran-tenany.