Andrianambonimena no iray amin' ireo mpanjaka efatra miaraka nizarana an' Imerina rehefa maty Andriamasinavalona, ka ny faritra noifeheziny dia i Alasora. Talohan' ny nahafatesan' Andriamasinavalona dia efa nisahana an' i Alasora Andrianambonimena. Zanak’ anabavin' Andriamasinavalona izy.