Andrimanalina I dia mpanjaka betsileo tao Isandra. Zafikelin'dRalambovitaony mpanorina ny Fanjakan' Isandra izy. Zanaka sady nandimby an-dRasimbanonony izay tsy naharitra teo amin' ny fitondrana, Ralaimainty, izay lasa Andriamanalina. Afaka nampitombo avo folo heny ny fanjakany tao anatin' ny fotoana fohy izy. Maro tamin' ireo mpanjaka madinika nifanolo-bodirindrina aminy no tonga ho azy nanatona azy. Nanangana vatolahy an-jatony izy ho fanomezany voninahitra ny tenany, ary hita manerana an' i Betsileo ka hatrany amin' ny tanin' ny Bara izany. Nanana andian' omby betsaka, izay nataony tanaty valamady nanana savaivo tsy latsaky ny 120 m, izy. Efa nifandray ara-bvarotra tamin' ny Arabo sy ny Eorôpeana i Andriamanalina, nefa tsy nisy ny fivarotana andevo. Tao amin' ny seranan-tsambo any amin' ny morontsiraky ny Vezo any atsimo-andrefana no nanaovana izany fifanakalozana izany. Ireo vahiny ireo dia nisy nitoetra maharira tao Isandra, ka namela antsy tsara tarehy ho an' ny mpanjaka izay lasa masina ka nantsoina hoe Mitambolanela. Nampijaly ny vahoakany anefa ny fanompoana sy ny lanonana tsy an-kiato, ka maty izy tamin' ny faran' ny taonjato faha-17 dia nihena ny lazany.