Amenhôtepa III (Ejiptiana Fahiny: jmn-ḥtp(.w), Amānəḥūtpū nanonona [ʔaˈmaːnəʔ ˈħutpu], "Amona dia afa-po"), fantatra koa amin'ny hoe Amenôfisy III dia farao fahasivy tamin'ny tarana-mpanjaka fahavalo ambin'ny folo.. Araka ny voalazan'ireo mpanoratra samihafa, dia nitondra an'i Ejipta izy nanomboka tamin'ny Jona 1386 ka hatramin'ny 1349 talohan'i JK, na nanomboka tamin'ny Jona 1388 talohan'i JK ka hatramin'ny Desambra 1351 talohan'i JK/1350 talohan'i JK, taorian'ny nahafatesan'i Totmôsisy IV rainy.