Ambalavao (Antananarivo)

Ambalavao dia kaominina malagasy ao amin' ny distrikan' Antananarivo-Atsimondrano, ao amin' ny Faritra Analamanga, ao amin' ny Faritanin' Antananarivo eto Madagasikara. Ny isan' ny mponiny dia 10 157 tamin' ny taona 2019. Any amin' ny 30 km atsimon' Antananarivo no misy azy, eo amin' ny lalam-pirenena faha-7. Any avaratra dia voafetran' ny renirano Sisaony. Mamakivaky an' ilay kaominina ny renirano Sisaony sy Andromba.

Ny vary, ny tsaramaso, ny voatabia ary ny ovy no vokatra fambolena be indrindra ao. Ny fambolena voninkazo (gladiolus, raozy) sy voankazo (mananasy, frezy) dia singa manan-danja amin' ny fambolena eo an-toerana.