Ny Alizay dia tso-rivotra tsy tapaka avy any amin' ny faritra anelanelan’ ny zana-pehintany roa (eo anelanelan' ny 23°27 avaratra sy 23°27 atsimo), mitsoka tsy tapaka avy any atsinanana manany andrefana avy amin' ny tsindry (avo) ambanin-jana-pehintany ka mankany amin' ny tsindry (iva) am-pehintany. Any amin' ny ila-bolantany avaratra izy dia mitsoka avy any avaratra-atsinanana mankany atsimo-andrefana, fa aty amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia mitsoka avy any atsimo-atsinanana mankany avaratra-andrefana. Mitsoka manomboka amin' ny haabon' ny ranomasina (0 m) ka hatramin' ny haambo 1 500 na 2 000 m ambonin' ny ranomasina ny Alizay.

Sarin-tany maneho ny Alizay (tsipîka miloko mavo sy manja)