Ny Alfa sy Ômega, anaran' ny litera voalohany (A / α ) sy farany (Ω / ω) ao amin' ny abidy grika, izay resahina ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy na Fanambaràna, dia anaram-boninahitra omen' ny Kristiana an' Andriamanitra sy an' i Kristy, izay fiandohana sy fiafaran' ny zavatra rehetra. Ao amin' ny fehezanteny hoe "Izaho no Alfa sy Ômega" (grika: ἐγώ εἰμι τὸ Ἄλφα καὶ τὸ Ὦ μέγα / Egô eimi to Alpha kai Ô mega)

Alfa sy Ômega
Alfa sy Ômega

Ao amin' ny Baiboly hanova

Ao amin' ny Apôkalipsy hanova

"Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha." (Apôk 1.8, Ny Baiboly)

"Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin' ny loharanon' ny ranon' aina ho an' izay mangetaheta." (Apôk 21.6, Ny Baiboly)

"Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana." (Apôk 22.13, Ny Baiboly))

Ny heviny takarina avy ao amin' ny Bokin' i Isaia hanova

"Izao no lazain' ny Tompo, mpanjakan' Israely sy mpanavotra azy, dia Iavehn' ny tafika: Izaho no voalohany, ary izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho." (Izaia 44.6, Ny Baiboly Masina)