Ny Alakaosibe dia ny tsinam-bolan'ny fiandohan'ny volana Alakaosy, izay atao hoe vava Alakaosy. Amin'ny vava Alakaosy amin'ny volana Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy. Manao sorona ny mpitahiry ody mahery sy sampy. Ny vehivavy mbola tokony hiteraka dia tsy mihinan-kanina amin'ny vava Alakaosy mba tsy hiteraka Alakaosy. Ny zaza teraka vava Alakaosy dia hanoto ray aman-dreny, ka ahohoka ho faty na alam-bintana mba ho tratra antitra sy ho lehibe ary ho mpanan-karena.