Ady tao Iràka
Ny Ady tao Iràka na Ady faharoa tao amin' ny Hoala, dia ady mitam-piadiana naharitra izay nanomboka tamin' ny taona 2003 sy nifarana tamin' ny taona 2011. Atao hoe حرب العراق / arb al-ʿirāq izany ady izany amin' ny teny arabo. Nanomboka tamin' ny fananiham-bohitra an' i Iràka nataon' ny fiarahan-tafika notarihan' i Etazonia, hanoherana ny antoko Baas (na Baath) nisy an' i Saddam Hussein, izany ady izany. Nitarika ho amin' ny faharesen' ny tafika irakiana haingana, ny fisamborana sy famonoana an' i Saddam Hussein, ary ny fananganana governemanta vaovao, izany fananiham-bohitra izany.