Acrantophis madagascariensis

Ny Acrantophis madagascariensis dia karazana bibilava, izay tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, ao amin' ny fianakaviana Boidae. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe dona na do. Anarany ara-tsiansa koa ny hoe na Pelophilus madagascariensis.

Dona

Toetoetrany

hanova

Ity karazana ity dia ao amin' ny fianakaviana Boidae sy ao amin' ny zana-pianakaviana Sanziniinae. Tsy misy zana-karazana fantatra amin' izao fotoana izao.

Ny vavy lehibe dia mety hahatratra 3 m, ny lahy dia kely kokoa, ny salan-kalavany dia 2,4 m. Io no karazana bibilava lehibe indrindra hita eto Madagasikara. Ny Acrantophis madagascariensis, toy ny hafa ao amin' ilay fianakaviana, dia mamono ny rembiny amin' ny fanerena amin' ny alalan' ny famarorana.

Ny lokon' ny hodiny dia misy tokotanim-bolo manja mena matroka mifangaro volondavenona, ipetahan' ny toa haingo miraefadafy amin' ny lamosiny misy mainty na volontany amin' ny sisiny. Ny sisiny dia misy haingony boribory fisaka mainty misy pentina mena, matetika misy sisiny na afovoany fotsy.

Jereo koa

hanova