Absôlosiôna
Ny absôlosiôna na famotsoran-keloka, ao amin' ny kristianisma, dia famelan-keloka omen' Andriamanitra izay mibebaka amin' ny fahotany. Mino ny Kristiana rehetra fa Andriamanitra dia Ray be indrafo, izay mamela ny helok' izay mibebaka, nanao ny absôlosiôna ho sakramenta anefa ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa, izany hoe fombafomba ara-pivavahana izay anomezana antoka ny olona miaiky fahotana fa avelan' Andriamanitra heloka tokoa. Izany no atao hoe sakramentan' ny fampihavanana.