Zavamaniry mandavan-taona

Ny zavamaniry manadavan-taona na zavamaniry maharitra dia zavamaniry afaka miaina mandritra ny taona maromaro. Izy io dia afaka mivelona amin' ny ririnina amin' ny endrika taova manokana ambanin' ny tany voaaro amin' ny hatsiaka sady feno tahirin-tsakafo (faka, vody, rizôma). Zavamaniry maharitra ny zavamaniry hazo rehetra.

Zavamaniry mandavan-taona ny vomanga

Afaka mitazona ny raviny amin' ny ririnina ny zavamaniry maharitra, fa matetika izany ravina izany dia mihamaina, tsy tokony ho velona ilay zavamaniry afa-tsy noho ny fotony sisa tavela amin' ny tany. Tsy manana izany toetra izany ny zavamaniry mandavan-taona sasany, raha tsy amin' ny toetany mifanaraka amin' ny toeram-paniriany tany am-boalohany. Ohatra, azo ambolena amin' ny faritra manana toetany antonony na mangatsiaka ny zavamaniry mandavan-taona avy amin' ny faritra trôpikaly, nefa lasa zavamaniry isan-taona, na atao zavamaniry ahiboka anaty hafanana mandritra ny fizaràn-taona mangatsiaka.