Zavamaniry manafika

Ny zavamaniry manafika amin' ny heviny malalaka dia zavamaniry amin' ny ankapobeny mihabesaka hatrany izay mahasahana velaran-tany lehibe ka miteraka olana noho izany. Zavamaniry tsy teratany ao amin' ny faritra aniriany ireo zavamaniry ireo, izay manova ny firafitra sy taharo ary ny fiasan' ny tontolo voajanahary izay ielezany. Anisan' ny zavamaniry manafika amin' ny faritra sasany eto Madagasikara ny tsikafokafombazaha.

Tsikafonkafombazaha maniry ao Imerinafovoany, eto Madagasikara