Ny Zafiraminia na Zafindraminia dia vahoaka silamo nonina teto Madagasikara. Niseho teto amin' ny Nosy izy ireo, fara fahakeliny, zato taona talohan' ny Antemoro izay fantatra kokoa; matetika tsy miavaka ny fomban' ireo vahoaka roa tonta ireo. Araka ny lovantsofina dia taranak' i Raminia izy ireo.

Ny mpitarika ny Zafiraminia maro dia nilaza fa taranaky ny fianakaviana nifindra avy tany Maka (na Lameka) any Arabia Saodita ankehitriny ka hatrany Mangalore[1] ary avy eo nankaty Madagasikara. Na izany aza, ny manam-pahaizana sasany dia mino fa ny niaviany dia mety ho tany Somatra na tany amin' ny vahoaka bogy[2] any Bôrneô. Ny lovantsofina nentim-paharazana hafa koa dia manohana ny fiaviana avy any Somatra, satria ny hoe Ramini dia toa anaran' i Somatra tamin' ny Andro Antenatenany. Heverina fa tamin' ny taonjato faha-13 ny Zafiraminia no tonga voalohany teto Madagasikara[3] [4].

Azo anovozan-kevitra hanova

  • Randrianja, Solofo; Ellis, Stephen (2009). Madagascar: A Short History. University of Chicago Press. ISBN 978-0226704203.
  • Bruder, Edith (5 June 2008). The Black Jews of Africa: History, Religion, Identity. New York City: OUP USA. ISBN 9780195333565

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. I Mangalore dia tanàna seranan-tsambo lehibe ao amin' ny Fanjakan' i Karnataka any India ankehitriny, eo anelanelan' ny Ranomasin' i Arabia sy ny Ghats Andrefana, 352 km any andrefan' i Bangalore.
  2. Ny Bogy dia foko ao Sulawesi Atsimo, any amin' ny faritany atsimo-andrefan amin' i Sulawesi, nosy fahatelo lehibe indrindra any Indônezia.
  3. Randrianja, Solofo; Ellis, Stephen (2009). Madagascar: A Short History. University of Chicago Press. pp. 62–63. ISBN 978-0226704203.
  4. Bruder, Edith (5 June 2008). The Black Jews of Africa: History, Religion, Identity. New York City: OUP USA. pp. 127–128. ISBN 9780195333565.