Zenôna avy any Kitiôna

(tonga teto avy amin'ny Zénon de Cition)
Zenôna avy any Kitiôna
Ankapobeny
Anarana Zenôna avy any Kitiôna
Teraka taona 334 taor J.K.
Maty taona 264 taor J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Zenôna avy any Kitiôna dia filôzôfa grika manam-piaviana fenisiana, mpanorina ny stôikisma tamin' ny taona 301 tal JK. Avy any Kitiôna izy, izay i Larnaca ankehitriny, no foiben' ny fanjanahan-tany fenisiana tany KIprôsy. Amin' ny teny grika izy dia atai hoe Ζήνων ὁ Κιτιεύς / Zếnôn ho Kitieús. Teraka tokony tamin' ny taona 334 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 262 tal. J.K. tao Atena.

Vaovao ny foto-pampianarany satria mampifandray fomban-drazana roa misaraka hatramin' izay, dia ny teôria momba ny fahendrena sy ny fizika: i Zenôna dia nanandrana nampifanaraka ny tsangan-kevitra natioralistan' ny Akademisiana sasany, mpandimby an' i Platôna, amin' ny teôria kinikan' ny fahendrena, ka nametraka ny fototry ny lamina materialista sy mônista ary determinista izay manana fiantraikany lehibe.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.