WikkaWiki

Mpamolavola:Ekipa mpamolavola ny WikkaWiki
Tao farany:1.4.2 / 2020-19-04
OS (SE):Cross-platform
mampiasa: Wiki
Lisansy:GPL
Sehatra: wikkawiki.org

WikkaWiki dia Rindrankajy wiki iray tena kely habe, fanaovana sehatra amin'ny tranonkala, nosoratana tamin'ny PHP ary mampiasa banky angona MySQL hitehirizana ny pejy. Iray amin'ireo solofon'ilay rindrankajy WakkaWiki izy, fa nampiana singa maro hafa vaovao. Namboarina ho haingam-piasa, azo itarina ary azo antoka izy, ary ny lisansy GPL no anaparitahana azy.

Tantara hanova

Ny taona 2003, niato tampoka ny fivoaran'ilay rindrankajy WakkaWiki, raha mbola nidadasika indrindra ny tontolon'ny mpampiasa sy mpanohana ary mpankafy azy izay nizara fanatsarana, fanitarana ary fanavaozana azy. Ny volana mey 2004 no nivoaka voalohany i WikkaWiki, ary tonga dia niroborobo haingana, ary tsy niala tamin'ny lova soa avy amin'i WakkaWiki, dia ny fananana lohamilina "maivana" sy fango "mora vakiana sy mora ampiasaina".

Vina sy filamatra hanova

Noho izy mora folahina hifanaraka amin'ny filàn'ny mpampiasa azy, na matianina na tsia, no tena ankafizana io rindrankajy io. Raha oharina amin'ireo wiki hafa vaventy, izay ahavitana zavatra marobe izy, dia ny hanana aty arak'izay kely indrindra nefa rafitra mora folahina sy itarina amin'ny alàlan'ny plugins kosa no tanjony.

Ny zava-bitany hanova

Hosinganina amin'ireo zava-bita miaraka aminy ny:

  • Fahafahana mikirakira
  • sary;
  • Flash;
  • tabilao;
  • fango HTML azo antoka (esoriny izay kialo sy zavatra mety hampiahiahy);
  • RSS;
  • i-frames;
  • cartes sy données Freemind;
  • Ankoatr'ireo, raha ilain'ny mpampiasa azy, dia misy koa ny fanaraha-maso ny fahazoan-dàlana (ohatra ny pejy azo vakiana, azo ovaina, ...), ny fampidirana mpikambana amin'ilay sehatra, fitantanana ny tenimiafina sy fitadidiana ny mombamomba ny mpitsidika.
  • Fandokoana ny fango ao anaty pejy(mampiasa GeSHi Archived Jiona 10, 2015 at the Wayback Machine):
    • mahafantatra karazam-pango miisa 68;
    • endrika araka izay itiavana azy;
    • laharan'ny andàlam-pango raha ilaina;
    • teny manandanja mirohy mankamin'ny torolàlana ofisialy;
    • téléchargement à-la-volée des blocs de codes
  • fitaovana afaka ikirakirana ny pejy tsirairay: fanaraha-maso ny fiovan'ny votoatiny, fanamarihana, fanasokajiana, fikarohana teny, fandikana pejy, fandinihana ny pejy mirohy aminy, fandefasana sy fandraisana rakitra, ary fitaovana fanovana ny votoatiny.
  • Manaja ny torohevitry ny W3C ny fango XHTML (XHTML 1.0 transitional) sy ny takilan'angaly.
  • Endrika ho an'ny 'impression' voafaritra ao anaty takilan'angaly.
  • Fitaovana hanaraha-maso ny fanovana, dia ny
  • RSS maneho ny pejy vao niova tao amin'ny sehatra na koa ny tantaran'ny fanovàna ny pejy anankiray.
  • WikiPing, ahafahana mampiely ny fanovàna pejy any amin'ny solosaina hafa.
  • SmartTitle: manome lohatenim-pejy tsara endrika kokoa ho an'ny mason'olombelona na ireo fitaovam-pikarohan-tsehatra: iray amin'ireo lohateny ao anatin'ny votoatin'ny pejy no mipetraka amin'ny kialo 'title'.
  • Wizard mora ampiasaina hanorenana ny rindrankajy (installation) na hanaovana mise-à-jour.
  • Plugins maro nataon'ny mpampiasa Wikka hafa afaka andramana.

Hatramin'ny kinova 1.1.6.4 dia misy an'ireto ihany koa i WikkaWiki:

  • ady amin'ny spam
  • fitaovana itantanana ny sehatra sy ny mpikambana ao aminy
  • WikkaEdit: Fanovana pejy mampiasa Javascript, nasolo an'i WikiEdit.

Ho avy hanova

Tokony ho hita amin'ireo tao an-dàlam-pamolavolana ireto toetra ireto:

  • fahafahan'ny tsirairay mamaritra ny endriky ny pejy malalaka kokoa (ohatra, skins sy menus azo ovaina sy isafidianana)
  • torolàlana fampiasàna azy izay voaangona avy ao anaty fango
  • scripts ahafahana mizara ny votoatin'ny sehatra sy mampiditra votoatina wiki hafa
  • script ampiasana Google Maps.

Torolàlana sy lesona hanova

Misy sehatra ahitana torolàlana feno sy vaovao hatrany, miantefa amin'ny mpampiasa ny wiki rehetra, na ny olon-tsotra na ny mpanao ny rindrankajy, afaka manampy amin'ny fampiasàna sy fanitarana an'i WikkaWiki.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova