Ny atao hoe foko malagasy dia, amin'ny ankapobeny, ireo olona rehetra miaina ao Madagasikara. Ny razan'ny malagasy ankehitriny dia tonga tamin'ny sambo avy any Indonezia tamin'ny taonjato fahatelo hatramin'ny taonjato fahadimy. Ny hamantarana ny fihavian'ny malagasy avy any Indonezia dia ny fiteny tenenin'ny malagasy amin'izao fotoana izao : fantatra fa misy fitovizana lehibe amin'ny fiteny sasany any amin'ny Nosin'i Borneo ny fiteny malagasy, indrindra eo amin'ny lafin'ny voambolana ampiasaina : rehefa manonona ny volana izao ohatra, ny fiteny indoneziana (Bahasa Indonesia) dia mampiasa ny teny "Bulan" ary ny teny javaney "Wulan", mitovitovy fanononana amin'ny teny malagasy, saingy ny fomba fanoratana fotsiny no miova.

Ny malagasy koa dia manan-drazana avy any Afrika atsinanana ary arabo, ny hamantarana an'izany dia ny endrik'ireo malagasy tandrefana sy tavaratra. Ny endriky ny foko mipetraka any Afrika atsinanana dia mitovy amin'ny afrikana miaina eo amin'ny kontinenta afrikana. Ny fihavian'izy ireo ao Afrika dia eo amin'ny tontolo soahily nentina ho andevo ao Madagasikara na nifindra monina.

Ny mahasamihafa an'ny mponina malagasy avy any Indonezia sy ny mponina malagasy avy any Afrika atsinanana dia ny endriny. Ny avy any Indonezia dia manana lokon-koditra fotsifotsy kokoa noho ireo izay avy any Afrika, ary mbola tsotra kokoa ny volony noho ny afrikana. (tohiny...)