Vondrom-poko ao Azia Atsimo

Ny vondrom-pokon' i Azia Atsimo dia vondrom-poko ara-pitenin' ny mponina samihafa any Azia Atsimo, anisan' izany ny vahoava any Bangladesy, any Botàna, any India, any Maldiva, any Nepaly, Pakistàna, ary any Srilanka. Na dia heverina ho anisan' i Azia Afovoany sy i Azia Atsimo aza i Afganistàna dia tsy tafiditra ao anatin' i Azia Atsimo ny Afgana.

Azia Atsimo

Ny ankamaroan' ny mponina dia ao anatin' ny vondroa ara-piteny telo lehibe: Indô-ariana, ny Dravidiana ary ny Iranika. Ny fiarahamonina indiana sy nepaley ary srilankey dia mizara ho sarangam-poko na fokom-pianakaviana; ireo sokajy ireo dia tsy manana sata ofisialy tao India hatramin' ny nahazoany fahaleovantena tamin' ny taona 1947, afa-tsy ireo sarangam-poko sy fokom-pirenena voalisitra, izay mbola misoratra anarana ho amin' ny asa sy hetsika ilaina. Ao India ankehitriny, ny mponina dia voasokajy ao amin' ny fitenin-dreny miisa 1 652.

Ireo vondrona ireo ihany koa dia zaraina idray ho zana-bondrona, sarangam-pokoa ary fokom-pireneba maro. Ny Indô-ariana no mandrafitra ny vondrona ara-poko sy fiteny lehibe indrindra any India (India Avaratra, India Atsinanana, India Andrefana, ary India Afovoany), any Bangladesy, any Pakistàna, any Nepaly, any Srilanka, ary any Maldiva. Ny Dravidiana no mandrafitra ny vondrona ara-poko sy fiteny fantatra indrindra any amin' ny tapany atsimo amin' i India, ny tapany avaratra sy atsinanana amin' i Srilanka ary ampahan-tany kely any Pakistàna. Ny Vahoaka Iraniana koa dia hita betsaka any Azia Atsimo, ny ankamaroany dia any Pakistàna.

Ny vondrona vitsy anisa tsy tafiditra ao anatin' ny vondrona lehibe dia miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika sy tibetô-birmana ny ankamaroany, ary ny ankamaroany dia mipetraka manodidina an' i Ladakh sy amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i India, any Nepaly, any Botana, ary any Faritra be havoan' i Chittagong any Bangladesy. Mipetraka any amin' ny Nosy Andaman sasany ny Andamaney (Sentinely, Ônga, Jaraoa, ary Andamaney Lehibe) ary miteny amin' ny fiteny manirery, toy ny Kosonda any afovoan' i Nepaly, ny Veda any Srilanka, ary ny Nihaly any India Afovoany, izay miisa eo ho eo amin' ny 5 000. Ny mponina ao amin' ny Lohasahan' i Hunza ao Pakistana dia mponina hafa miavaka; miteny borosasky, izay fiteny manirery, izy ireo.

Nisaraka ny fomban' ny vondrom-poko samihafa any Azia Atsimo, voataonan' ny kolontsaina ivelany, indrindra any amin' ny tapany avaratra-andrefana amin' i Azia Atsimo ary koa any amin' ny faritra an-tsisintany sy misy seranan-tsambo be atao, izay misy fifandraisana bebe kokoa amin' ny kolontsaina ivelany. Be dia be ihany koa ny fahasamihafan' ny fototarazo ao amin' ilay faritra. Ohatra, ny ankamaroan' ny vondrom-poko any amin' ny tapany avaratra-atsinanana amin' i Azia Atsimo dia misy ifandraisany amin' ny olona any atsinanana na atsimo-atsinanana. Misy ihany koa vondrona mitoka-monina izay tsy voataonan' ny vondrona hafa, toy ny Jaraoa ao amin' ny Nosy Andaman. Ny vondrona ara-poko sy fiteny lehibe indrindra any Azia Atsimo dia ny Indô-ariana, izay mahatratra 1 lavitrisa eo ho eo, ary ny zana-bondrona lehibe indrindra dia ny mpiteny amin' ny fiteny hindy, izay mahatratra 470 tapitrisa mahery.

Ireo vondrona ireo dia mifototra amin' ny fiteny fotsiny fa tsy mifototra amin' ny fototarazo.