Vokovokomanga Loterana Malagasy

Ny Vokovokomanga Loterana Malagasy (VLM) dia fikambanana, atao hoe "sampana velona" ao amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy, ikambanan' ireo izay mifady ny zava-mahadomelina sy manentana ny olona hiala amin' izany. Fikambanana mitaiza ny olona hanalavitra ny zava-mahadomelina izany. Misy rantsana ao anatin' izany sampana izany atao hoe "Taninketsan' ny Vokovokomanga" izay natokana hanabeazana ny ankizy sy ny tanora.

Jereo koa hanova