Ny Tranon' i Davida, izay atao hoe Taranak' i Davida na Tranon' ny mpanjkan' i Israely, dia manondro, ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma, dia ny tarana-mpanjaka sy mpitarika lehibe teo amin' ny tantaran' ny Jiosy, manomboka any amin' ny mpanjaka Davida izay tantaraina ao amin' ny Baiboly. Atao hoe בֵּית דָּוִד‎ / Bēt Dāvīḏ ("Tranon' i Davida") izany amin' ny teny hebreo.

I Davida

Ao amin' ny jodaisma dia mifototra amin' ny lahatsoratry ny Baiboly hebreo izany ary nandritra ny taonjato nifandimby dia mifototra amin' ny lovantsofina taty aoriana. Ao amin' ny kristinisma kosa, ny Testamenta Vaovao dia manao tetiarana mandalo an' i Maria sy i Jôsefa hatrany amin' ny Jesoa na Jesosy.

Araka ny Baiboly, i Davida, izay avy ao amin' ny fokom-pirenen' i Jodà, no mpanjaka fahatelo tao amin' ny Fanjakan' i Israely sy ny an' i Jodà mbola nitambatra. I Sôlômôna no nandimby azy taty aoriana. Taorian' ny fahafatesan' i Sôlômôna dia tsy nanaiky ny fitondran' ny taranak' i Davida ny fokom-pirenena folo any avaratra ka nandà an' i Rehôbôama zanak' i Sôlômôna, fa nifidy an' i Jerôbôama ho mpanjaka ary nanangana ny Fanjakan' i Israely. Ny fokom-pirenen' i Jadà sy ny an' i Benjamina any atsimo kosa dia nitoetra ho mahatoky tamin' ny Tranon' i Davida, ary ny fanjakany dia lasa fantatra amin' ny anarana hoe Fanjakan' i Jodà. Ny mpanjaka nifandimby tao Jodà, afa-tsy i Atalia, dia voalaza fa taranaka mivantana avy amin' i Davida. Nirodan' ny Empira Neô-Babilôniana io fanjakana io tamin' ny taona 587/586 tal. J.K. Ny Hasmôneana, izay nametraka ny fanjakany tao Jodea na Jodia tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. dia tsy heverina ho manam-pifandraisana amin' ny taranak' i Davida na amin' ny fokom-pirenen' i Jodà.

Ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma, ny Tranon' i Davida no ny ra izay ananan' ny Mesia hebreo taranaka avy amin-dray. Ao amin' ny eskatôlôjia jiosy, ny Mesia dia mpanjaka jiosy ho avy izay hipoitra avy amin' ny Tranon' i Davida sady andrasana ny fanapahany ny vahoaka jiosy mandritra ny Andro Mesianika sy ny tontolo hoavy.