Kiba (sikidy)

(tonga teto avy amin'ny Trano (sikidy))

Ny Kiba na Akiba na Trano, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahenina ambin' ny folo farany, anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy. Vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Zanahary (na Haky) sy ny an' ny Tale no ahazoana ny Kiba, izay anondroana ny trano fonenana tokoa na ny trano.

Fanasokajiana hanova

Anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy, ny Kiba.

Fomba fahazoana ny Kiba hanova

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Kiba na Trano: misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony". Mba hahazoany ny soratry ny Kiba dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Zanahary sy ny an' ny Tale ny mpisikidy, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony. Tsy misy intsony ny tsanganan-tsikidy vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Trano amin' ny an' ny tsanganana hafa. Tsy miteraka ny Kiba.

Hevitry ny hoe Kiba hanova

Anondroana ny trano fonenana tokoa ny trano ny Kiba. Ny Kiba dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns. Ny fanakarana ny hevitry ny Kiba no ahalalana ny mombamomba ny "trano fonenana".

Jereo koa hanova

Tahirin-kevitra azo anovozana hanova

Boky hanova

  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany hanova