Tiako i Madagasikara

Ny Tiako i Madagasikara (TIM) dia antoko pôlitika malagasy nitsangana tamin' ny 3 Jolay 2002 mba hanohanana ny filoha Marc Ravalomanana. Taorian' ny fifidianana solombavambahoaka natao tamin' ny 23 Septambra 2007 izy no antoko nanana ny maro anisa indrindra tao amin' ny Antenimieram-pirenena teto Madagasikara, izay nahazo toerana 106 amin' ny 127. Ao Ankorondrano Antananarivo no misy ny foiben' ilay antoko. Voafidy indray tamin' ny anaran’ io antoko io tamin' ny vato 55,79 % Ravalomanana tamin' ny fifidianana filoham-pirenena taminb' ny Desambra 2006.

Marc Ravalomanana

I Solofonantenaina Razoarimihaja no filohan' ny TIM tamin' ny taona 2002 ka hatramin' ny 2007. Ny 12 Oktobra 2007 no nandimby azy i Yvan Randriasandratriniony, izay filoha vonjimaika. Lany tamin' ny fomba ôfisialy ho filohan' ny TIM i Yvan Randriasandratriniony tamin' ny 21 Mey 2008, nandritra ny kôngresy nasiônaly faharoan' ny antoko, raha i Ivohasina Razafimahefa kosa no lany ho sekretera jeneraly. Nitarika ny antoko TIM tamin' ny fifidianana solombavambahoaka malagasy 2013 Ravalomanana.

Election results hanova

Presidential elections hanova

Election Candidate 1st round 2nd round Results
# % # %
2001 Marc Ravalomanana 2.306.600 51.46% colspan=2 Elected
2006 2.435.199 54.79% colspan=2 Elected
2013 Jean Louis Robinson 955.534 21.10% 1.791.336 46.51% Lost
2018 Marc Ravalomanana 1.760.837 35.35% 2.060.847 44.34% Lost
2023 586.282 12.09% colspan=2 Lost

Endrika:Noteslist

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.