Takodaran' i Madagasikara
Ny takodaran' i Madagasikara na tsakodaran' i Madagasikara na takidaran' i Madagasikara dia karazana vorona misy sangany, anisan' ny fianakaviana Upupidae. Ny hoe Upupa marginata no anarany ara-tsiansa. Ny Malagasy dia miatso azy hoe takodara, tsakodara, takidara, barao, drao na takadalana fotsiny ihany koa.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/49/Madagascar_Hoopoe_%28Frank_Wouters%29.jpg/247px-Madagascar_Hoopoe_%28Frank_Wouters%29.jpg)
Taloha izy dia noheverina ho zana-karazan' ny Upupa epops (Upupa epops marginata), saingy natokana no karazana hafa noho ny feony sy ny fahasamihafan' ny volony. Ny manam-pahaizana sasany dia mbola mihevitra ny karazana telo ho mitovy. Misy manam-pahaizana ihany koa mamondrona ho karazana iray ny takodara afrikana sy ny takodarambazaha (eoraziana), nefa nanasaraka ny takodaran' i Madagasikara.
Ity vorona ity dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara izay toeram-ponenany voajanahary, ao amin' ny ala maina. Vorona mbola betsaaka izy io ary heverin' ny Vondrona Iraisam-Pirenena ho an' ny Fiarovana ny Zavaboary ho tsy dia mampanahy loatra ny fiarovana azy.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5a/Upupa_distribution.png/234px-Upupa_distribution.png)
Ny takodarambazaha dia mipetraka any amin' ny faritra manana tioetany antonony sy mafana ao Afrika sy any Azia ary ao Eorôpa.