Ny takalon' aina dia olona tazomin' ny olona hafa an-keriny izay mitaky fepetra amin' olona hafa fahatelo ny famelana azy ho velona sy ny famotsorana azy. Ny tafika any amin' ny ady dia matetika, taloha, no nampiasa an' io fanao io any amin' ny tanin' ny fahavalo mba hiantohana ny fiarovana ny miaramilany na hanakanana ny fihetsika feno fankahalana. Izany indrindra no nitranga nandritra ny Ady Lehibe roa.

Rehefa tsy momba ny pôlitika sy mikendry ny hahazoana vidim-panavotana fotsiny ny anton' ny fanaovana takalon' aina dia fakana an-keriny no ilazana izany. Amin' ny toe-javatra hafa dia endrika fampihorohoroana mikendry ny famotsorana ny voafonja sy ny fanaterana fitaovam-piadiana ary ny tsy fanasaziana ny mpaka an-keriny ny antony anaovana izany.