Fiteny tagalôga

fiteny
(tonga teto avy amin'ny Tagalog language)
Tagalôga
Wikang tagalog

Isan'ny mpiteny 22 tapitrisa (nibeazana), 65 tapitrisa (teny voalohany+faharoa)
Faritany  Filipina
Sata Teny ofisialy any Filipina (Filipino)


Ny fiteny tagalôga dia fiteny tenenina any amin' ny tapany avaratr’ i Filipina, ao amin’ ny faritra manodidna ny renivohitr’ i Filipina, Manila, ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrônezianina. Io fiteny io dia fiteny niavian’ ny fiteny filipinô, izay fiteny ôfisialin’ i Filipina. Olona 20 tapitrisa eo ho eo no nibe tamin’ io fiteny io ary ny isa manontolon’ ny olona miteny tagalôga (sy filipinô) dia misy eo amin’ ny 90 tapitrisa eo ho eo.

Ny fiteny filipinô dia fiteny ao amin’ ny vondrom-piteny aostrônezianina izay vondrom-piteny misy ny fiteny maley-indônezianina ary fiteny malagasy. Ny fiteny tagalôga no anisan' ny fiteny aostrônezianina be mpiteny indrindra, aorian' ny fiteny malay-indônezianina sy ny fiteny javaney.

Noho ny fanjanahan-tany espaniôla nandritry ny telonjato taona dia betsaka ny voanteny tagalaoga avy amin' ny fiteny espaniôla.