Natao teto Antsirabe ny fihaonamben ny mpanao gazety mampiasa ny teny frantsay (UPF) ka ny trano fandraisam-bahiny "Hotel des Thermes" no nandray izany. Tafiditra indrindra amin ny fandraisan i Madagasikara ny Fihaonamben ireo firenena mampiasa manontolo na ny ampahany ny teny Frantsay izany fihaonana izany. Hipoka avokoa ny trano fandraisam-bahiny vaventy teto an-toerana. Fotoana koa io izany mba nahafahan ireo toerana ireo nameno ny efitra fandraisam-bahiny ao aminy amin izao fotoana tsy dia maha be loatra ny mpizahatany izao.Raha iverenanan kely ny tantaran ny Hotel des Thermes dia niorina ny taona 1897 izy.Trano nipetrahan ireo vazaha nonina teto Antsirabe tamin izany fotoana izany izy talohan ny nanovana azy ho Hotely andraisam-bahiny. "Grand Hotel", niova ho " Terminus" taty aoriana.Marihana fa nonina tao ihany koa ny Mpanjakan i Maroc Mohamed V nandritra ny sesitany nataon ny fanjakkana Frantsay azy nanomboka ny taoa 1954-1955. Ny fanjakana malagasy no manana ny petra-bola be indrindra miasa ao ankehitriny.Ny Groupe Sofitrans no mitantana azy amin izao fotoana izao. Manana efitra 26 izy ary manana "suite" 4.Afaka mandray fivoriana iraisam-pirenena tahaka ity izy noho ny fananany fotodrafitasa moderna ahafahana manome fahafaham-po an ny mpanjifa toy ny mariazy, soratra na fetim-pianakaviana tsotra isan karazany. 54 izao ny mpiasa raikitra miasa ao ka mizarazara amin ny antokon asa isan-karazany toy ny : fitantanana, mpiasa tsotra,fampisakafoanana,fikolokoloana ny fitaovana,fiarovana.Marihana fa nisy ny fanatsarana ny toerana amin ny ankapobeny vao haingana mba entina mandray ireto vahiny marobe mihoatra ny 300 ireto. Ankoatry ny fivoriana natao teto Antsirabe dia nikarakara fitsidihana ireo toerana heverina fa maha sintona mpizahatany eto amin ny faritry Vakinankaratra ihany koa ny ORTVA (Office Régional de Tourisme du Vakinankaratra) ka tany Manandona, Tritriva, Anrdraikiba ary Betafo no naleha tamin izany.

Ireo lahatsoratra ao amin'ny sokajy "Antsirabe"

Misy pejy 2 ato amin'ity ity sokajy ity. Pejy 2 no aseho ato.