Sambon' i Borobudur

Ny sambon' i Borobudur dia sambo vita amin' ny hazo roa sosona nampiasaina tamin' ny taonjato faha-8 ka hatramin' ny faha-9 tao Azia Atsimo Atsinanana an-dranomasina (ahitana an' i Broney, i Indônezia, i Malezia, i Filipina, i Singaporo, ary i Timôro Atsinanana ankehitriny) izay aseho amin' ny sary sokitra sasany amin' ny tsangambato bodista ao Borobudur[1] any Java Afovoany, any Indônezia. Sambon' ny Javaney izy io, sambo mitovy habe amin' izay mbola hita tamin' ny varotra amorontsiraka any Java Atsinanana farafaharatsiny hatramin' ny taompolo 1940.

Sambon' i Borobudur

Ny toetran' ireo sambon' ny tempolin' i Borobudur ireo dia ahitana: misy faharina tsy mitovy amin' ny halava amin' ny vatany, misy andrin-day roa na telo miaraka amin' ny lay efa-joro, mivoaka ivelany ny lay, misy efitra ambony itoeran' ny olona milahatra mipetraka na mitsangana mivoy, misy efitra ambany, misy lavaka fijerena (voasokitra na mivohitra), ary familiana ampahefatry. Ny sambo sasany dia aseho amin' ny fivoy miisa enina na valo na sivy fara fahakeliny, ary ny sasany tsy manana.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Tempoly bodista mahaiana tamin' ny taonjato faha-9 ao amin'ny fanjakan' i Magelang any Java, any Indônezia.