Ny salohy dia fitambarana vony tsy misy tongony fa miraikitra mivantana amin' ny tahony. Izany dia manome endrika matevina sy tery ary lavalava toy ny loha-lefona. Ny sampaho no tendro ambony amin' ny zavamaniry sasantsasany, izay iraiketan' ny voa milahatra amin' ny taho. Ny salohy dia mety hitambatra maro amin' ny teza lehibe iray.

Salohim-barimbazaha

Matetika dia mivondrona ny salohin' ny ahitra ka mampitambatra voniny maromaro toy ny hita amin' ny vary, ny varimbazaha, ny vary ôrza, ny ampemby, ary ny varin-tsoavaly.

Fivoaran' ny babin-katsaka

Ho an' ny katsaka kosa dia misaraka ny vony lahy sy vony vavy. Ny vony lahy dia mivondrona eo an-tampon' ilay zavamaniry, fa ny vony vavy kosa dia amin' ny karazana salohy mipetaka amin' ny fototry ny ravina (atao hoe "baby") amin' ny alalan' ny teza lehibe atao hoe taolan-katsaka.