Ny Salamo faha-129 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahadimy" (Sal. 107 - 150) ity salamo ity.

Dikan-teny malagasy hanova

Dikan-teny katôlika hanova

  1. Fihirana fiakarana. Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho; -aoka Israely hilaza izany! -
  2. Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho, nefa tsy naharesy ahy izy ireo.
  3. Nolahasainy ny lamosiko, nosoritany vava asa lava ao.
  4. Marina anefa Iaveh, ka notapahiny ny famatorana nataon' ny ratsy fanahy.
  5. Aoka ho menatra sy hiamboho eny, izay rehetra mankahala an' i Siona!
  6. Aoka hanahaka ny ahitra an-tafon-trano izy, izay malazo alohan' ny hanongotana azy.
  7. Ny mpijinja tsy mahafeno tànana amin' izany, sy ny mpamehy amboara ny ampofoany.
  8. Ary ny mpandalo tsy mba manao hoe: Ho aminao anie ny fitahian' ny Tompo! - Mitso-drano anareo amin' ny anaran' ny Tompo izahay.

Jereo koa hanova