Sôninke (vahoaka)

Ny Sôninke, antsoina koa hoe Maraka, dia mponina any Sahel ao Afrika Andrefana, hita indrindra any Maly, manamorona ny sisin-tany maoritaniana (eo anelanelan' i Nara, ny faritr' i Koulikoro, Kayes sy Nioro an' i Sahel), ary koa any Senegaly, any Maoritania, any Gambia, any Ginea ary any Ginea-Bisao. Anisan' ny vondrom-poko miteny mande izy ireo amin' ny alalan' ny fiteny sôninke, saingy mandrafitra foko iray manokana.

Miisa 2 420 000 any ho any izy ireo ka toy izao ny fisinjarany isam-pirenena: Maly misy 1 787 000, Senegaly misy 1 200 000, Maoritania misy 237 000, Gambia misy 138 000, Borkina Fasô misy 25 000, Frantsa misy 19 132.