I Seyyed Ruhollah Khatami dia mpitondra fivavahana iraniana zokiolona tao an-tanànan' i Yazd. Amin' ny teny persiana izany dia atao hoe سید روح‌الله خاتمی. Teraka tamin' ny 28 Ôktôbra 1906 izy ary maty tamin' ny 27 Ôktôbra 1988). Tamin' ny Jolay 1982 izy dia notendren' i Ruhollah Khomeini ho mpitarika vavaka tao amin' ny tanànan' i Yazd, ao Iràna afovoany.

I Ruhollah Khatami sy i Mohammad Khatami tamin' ny fahazazany

Rain' ny mpanao pôlitika iraniana maromaro izy, anisan' izany ny filoha teo aloha Mohammad Khatami, ny mpanorina ny Front Participation Islam Iran Mohammad-Reza Khatami, ny lehiben' ny kabinetran' ny filoha teo aloha Ali Khatami, ary i Fatemeh Khatami, izay voafidy ho ao amin' ny filankevitry ny tanànan' i Ardakan tamin' ny taona 1999.