Ravina (zavamaniry)

(tonga teto avy amin'ny Ravinkazo)

Ny ravina dia taovan-javamaniry atokana ho an' ny fanovan' ny zavamaniry misy famaitso ny tavolo ho gliokôzy amin' ny alalan' ny hazavana. Mipoitra amin' ny tahon-javamaniry izany. Ny ravina koa no toerana misy ny fisefoana sy ny hatsembohan' ny zavamaniry. Ny ravina dia afaka misahana manokana ny fitahirizana otrikaina sy rano.

Mba hanatanterahana ny asany, ny ravina amin' ny ankapobeny dia takelaka fisaka sy manify, ny felany izany, izay ahafahany mahazo hazavana betsaka. Misy ihany koa ny ravina niova, izay manana felana kely dia kely sy tsy mandray anjara amin' ny fanovana ny tavolo ho gliokôzy intsony; izy ireo dia niova ho tangolika, na ho ravina miendrika tsimoka (frantsay: cataphylle), kiran-tsimoka, izay mety ho an-drivotra (tsilo, ravin' ny kônifera) na ambanin' ny tany (toy ny vody tongolo), ny ravina matevina mitahiry rano betsaka.