Rangita, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Rangitamanjakatrimovavy, dia mpanjakavavy vazimba izay nanjaka tao Merimanjaka (na Imerimanjaka) ao afovoan-tany eto Madagasikara taorian-drainy, dia ny mpanjaka Andriampandramanenitra (na Rafandramanenitra). Nitondra teo anelanelan' ny taona 1520 sy 1530 izy. Tamin' ny nahafatesany dia nandimby azy ny zanany vavy (na ny rahavaviny natsangany) Rafohy.

Fasan-dRangita ao Imerimanjaka

Ny lovantsofina dia tsy mamaritra mazava ny anjara asa sy ny fifandraisana nisy teo amin-dRangita sy Rafohy. Izany koa no tsy ahafantarana ny reniny sy ny zanany na ny nanjaka taloha sy ny mpandimby na ny renin' ny mpanjaka Andriamanelo amin' izy roa vavy. Araka ny lovantsofina iray dia nanan-janaka lahy roa Rangita ary mety nanan-janaka vavy iray (dia Rafohy). Milaza ireo fitantarana ireo fa Rangita dia nanana ny toe-batan' ny Vazimba izay fohy vatana sy mainty hoditra, ka ny anarany dia midika hoe "ngita volo"[1].

Fomban' ny Vazimba ny mandentika faty anaty rano izay heverina ho masina. Tamin' ny nahafatesan-dRangita hono (toraka izany koa ny nahafatesan-dRafohy) dia nampidirina tanaty vatam-paty volamena miendrika lakana izy, avy eo nalentika tanaty honahona[2]. Misy fasana izay lazaina fa fasan-dRangita anefa ny ao Imerimanjaka.

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. Bloch, M. De la bénédiction à la violence: Histoire et idéologie dans le rituel de la circoncision des Merina à Madagascar. Cambridge, Royaume-Uni: Syndicat de la presse de l'Université de Cambridge.
  2. Kent, RK Les premiers royaumes à Madagascar: 1500-1700. Holt, Rinehart et Winston, 1970.