Ralambovitaony, izay nantsoina fotsiny hoe Ralambo, dia mpanjaka betsileo, mpanorina ny Fanjakan' Isandra, nanjaka tamin' ny taona 1710 ka hatramin' ny 1730. Zafikelin' ny mpanjaka Andrianantara tao Manandriana sady zanak' olo-mpiray tam-po tamin-dRahasimanarivo izay mpanorina ny fanjakana mitambatra ao Lalangina Vohibato izy.

Noroahin-drainy sy ireo rahalahiny Ralambovitaony noho ny toetrany tsy zaka. Raha ny marina dia andriana tanora be korontana Ralambovitaony. Izany no nagafagany nahazo faritany midadasika, ka nanomenazana azy ny anaram-bositra hoe Vitaony, noho ny fahasahiany. Indray andro dia afaka niampita an' i Matsiatra tao anaty tondra-drano izy, nifikitra tamin' ny vahy. Novan-dRalambovitaony ny anaran' ilay renirano Volovandana namakivaky ny fanjakany, ka nantsoiny hoe Isandra.