Ny prefektiora dia fari-pitantanana fehezin' ny prefe voatendry. Mety ho fizaràna manandrify fitondram-paritra na fitondrana ifotony izany any amin' ny firenena samihafa, na fizaràna amin' ny rafi-piangonana iraisam-pirenena sasany (izay mizara ho diôsezy maromaro), na koa distrika rômana tamin' ny Andro Taloha. Avy amin' ny teny latina hoe praefectura na præfectura io teny io. Ny teny hoe prefektiora no anarana voalohany nomen' ny Rômana ny tanàna niankina taminy ary nofehezin' ny prefe (præfectus), mifanohitra amin' ny monisipa sy ny zanatany, izay nanana ny zom-pirenena rômana manontolo na ampahany.