Tenin-jatovo midika :miteny mivadika.Samy manana ny vany mitetikany ny tarika tsirairay.Ny tariky ry Bob zao raha milaza ho:"Lembona botsy" dia midika izany hoe I Bobna letsy.Ohatra hafa:"Kezazaly" midika zazakely."Sipa mampigadra satria mbola kezazaly".Ohatra hafa:

Zandry: Iny ary i an.
Bob: Iry poza?
Zandry: Miry posa.

Ohatra hafa:"I beloha no tompon-dakan'ny postamary".Hitantsika eto fa ny teny hafenina ihany no havadika(eto:postamary) ary mety ho lasa teny iray ny teny roa rehefa mahazatra ny famadihana azy.Ny avy any Bira indrindra ny any Ampanataovana sy Ambalavato koa no tena tompon-daka amin'ity vany mitetika ity.Na efa renibe aza dia mbola mivany mitetika ihany koa.Ohatra amin'ny vany mitetika avy any bira:"Koaba leky lenada fa nakaza gaina ova ova",dikany:"Boaka kely nedala fa nazaka naiga(joba)vaovao".

Misy hiran'ny RABOUSSA milaza hoe "May amin'tany" izay mampiasa ny mivany mitedika.