Ny Môba na Bimôba dia vondrom-poko any Afrika Andrefana, miteny amin' ny karazam-piteny gora (ny fiteny môba) any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Tôgô, indrindra ao amin' ny tanànan' i Dapaong sy Bombouaka sy ny manodidina azy, sy amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Ganà sy sy Borkina Fasô. Anisan' ny foiben' ny vahoaka Môba ao Ganà i Bimbagu sy i Bunkpurugu. Manodidina ny 250 000 eo ho eo ny isan' ny Bimôba any Ganà ary eo amin' ny 320 000 eo ho eo any Tôgô. Ny Môba ao Tôgô dia fitambarana fokom-pianakaviana samihafa avy any atsinanan' i Ganà sy Borkina Fasô.

Toeram-ponenan' ny Môba

Avy amin' ny fototra Môba no teraka ny fokom-pianakaviana sasany toa ny Môba-Gorma, ny Môsy (tapany atsimon' i Borkina Fasô) ary ny Mamprosy (tapany avaratra-atsinanan' i Ganà). Ny Môba- Gorma dia voatsinjara amin' ny fokom-pianakaviana samihafa tarihin' ny loham-poko nentim-paharazana.