Biby mampinono ny kary, iray tarika amin'ny saka, sady saka dia. Sokajiana ho biby ratsy ny kary eo amin'ny fiaraha-monina malagasy noho izy biby naman'ny mpamosavy izay entiny mivoaka alina miaraka amin'ny vorondolo. Entina hanompana olona, na koa sangim-piteny eo amin'ny olona mpifankafantatra tsara ny hoe "Ilay karilahy ity". Azo tarafina amin'ny ohabolana sy ohapitenenana miresaka momba ny kary izay fanasokajiana ratsy azy izay.

Ohabolana hanova

"Izay vandana dia kary"
"Akoho tsy nipoitra ohatr'izay efa lanin'ny kary"
(Jereo koa ny ohabolana momba ny saka

Oha-pitenenana hanova

"Misafelika ny kary": Fanondroan'ny Ntaolo ny fotoana efa alina


Ankifidy hanova

Alao izay ho anao : be maso anaty vero sa kely maso anaty vato ?

Ny be maso anaty vero dia ny omby eto ary ny kary (na ny saka indraindray) no lazana fa kely maso.