I Karelia dia faritra any Eorôpa Avaratra manan-danja ara-tantara ho an' i Rosia (anisan' izany ny vanim-potoana sôvietika), ho an' i Finlandy ary ho an' i Soeda. Amin' izao fotoana izao dia mizara roa eo amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Rosia (ny vahoakan' ny Repoblikan' i Karelia sy ny Ôblastan' i Leningrad) sy amin' i Finlandy (ireto faritra ireto: i Karelia Atsimo sy i Karelia Avaratra ary ny tapany atsinanan' i Kymenlaakso). Amin' ny teny kareliana sy amin' ny teny finoà izy dia atao hoe Karjala [ˈkɑrjɑlɑ]; amin' ny teny rosiana dia Каре́лия / Kareliya [kɐˈrʲelʲɪjə], ara-tantara Коре́ла / Korela [kɐˈrʲelʲə]; amin' ny teny soedoà: Karelen [kɑˈreːlen].

Fitsinjaràna an' i Karelia: ny ampahany manga antitra dia i Karelia finlandey fa ny manga tanora kosa dia i Karelia rosiana
Fitsinjarana an' i Karelia ankehitriny