Ny kambin-tsikina, eo amin' ny zavamaniry, dia faritra mampisaraka ny sikin-taho sy ny ravina amin' ny zava-maniry tokam-bihy. Ny kambin-tsikina eo amin' ny Poaceae (ahitra), ny Cyperaceae ary ny Juncaceae, dia singa hita amin' ny ravina miendrika lela mielabakaka, indraindray tsy misy fa soloin' ny andiam-bolo, na tsy misy mihitsy aza, eo amin' ny fihaonan' ny fonony sy ny felan-dravina, amin' ny fitohizan' ny fonony.

Kambin-tsikina eo amin' ny ravin' ny Alopecurus geniculatus (Poaceae).