I Jakob Hutter na Jakob Hutter no mpitarika sy mpikarakara ny Anabatistan' i Tyrol Atsimo (anelanelan' i Aotrisy sy i Soisa ankehitriny). Teraka tao Moos/Palù, tamin' ny taona 1500, tanàna kely akaikin' i Sankt Lorenzen tsy lavitra an' i Bruneck ao Pustertal (Tyrol Atsimo) ary maty tamin' ny 25 Febroary 1536 tao Innsbruck (any Aotrisy). Avy amin' ny anarany ny hoe hoterisma sy ny hoe Hoterita, firenana kristiana avy amin' ny anabatisma.

Jacob Hutter