I Hong Kong, izay atao hoe Faritra ara-Pitantanana manokan' i Hong Kong ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina, amin' ny fomba ôfisialy, no lehibe indrindra sy be mponina indrindra amin' ny fari-pitantanana manokana (SAR) roa ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina, ny iray hafa dia i Makao. Misy mponina manodidina ny fito tapitrisa izay antsoina hoe “Hôngkôngey” (amin' ny teny anglisy: Hong Kongers) ny ao. Amin' ny teny sinoa izy dia atao hoe 香港; amin' ny teny kantôney Jyutping: Hoeng¹gong²; amin' ny teny kantôney Yale: Hēunggóng ; izay midika hoe "seranana manitra".

Sainan' i Hong Kong
Sarintany maneho an' i Hong Kong

Any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Sina no misy an' i Hong Kong, eo amin' ny Ranomasin' i Sina Atsimo asy ny morony atsinanan' ny vavaran' ny renirano Perla, ao anatin' ny megalôpôlin' ny vinanihefak' ity renirano ity. Eo amin' ny saikanosy be tendrombohitra sy nosy maromaro izy io, ary ny lehibe indrindra dia i Lantau sy i Hong Kong. Any avaratra izy dia manamorona an' i Shenzhen, ao amin' ny faritanin' i Guangdong.

Ny toekaren' i Hong Kong izay tena mandroso dia miavaka noho ny liberalisma ara-toekarena sy ny fisokafany amin' ny varotra ivelany. Anisan' ny foibe ara-bola roa manan-danja indrindra any Azia miaraka amin' i Singaporo, aorian' i New York sy i London maneran-tany izy. Ny Hôngkôngey dia anisan' ny manana tondrom-pandrosoan' ny olombelona avo indrindra sy salan-kaela velona lehibe indrindra eto an-tany.

Hong Kong

Zanatany britanika nanomboka tamin' ny Fifanarahana tao Nanking (1842) i Hong Kong, niverina amin' i Sina tamin' ny taona 1997, dimy amby dimampolo amby zato taona taty aoriana, mbola tsy mitovy tanteraka amin' ny sisa amin' i Sina an-tanibe i Hong Kong. Lalàna fototra (karazana lalàmpanorenana) manokana no mamaritra ny fitondrana ara-pôlitika ao aminy. Mankatò ny foto-kevitry ny "firenena iray, rafitra roa" izy, izay mamela an' i Hong Kong hitazona ny rafi-dalàna (common law), ny volany (dôlaran' i Hong Kong), ny rafitra pôlitikany (demôkrasia sy antoko maro), ny ekipany ara-panatanjahantena iraisam-pirenena, ny lalànan' ny fifindrà-monina, ny sehatra Internet (.hk), ny tondro an-telefôniny (+852) ary ny fehezam-pitsipika mifehy ny fampiasana ny lalambe (miaraka amin' ny fitondrana fiara ankavia nolovaina tamin' ny Britanika). Araka ny fepetran' ny Fanambaràna iraisan' ny Sinoa sy ny Britanika, ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina dia manome an' i Hong Kong fizakan-tena ambony hatramin' ny taona 2047 fara fahakeliny, izany hoe mandritra ny dimampolo taona taorian' ny famindrana ny fiandrianana. Na izany aza, ny famoahana ny lalàna vaovao momba ny fiarovam-pirenena tamin' ny 1 Jolay 2020, izay fitsingerenan' ny andro famerenana azy amin' i Sina, dia midika fa mihamalemy ny fahaleovantenan' ny rafi-dalàna manoloana an' i Sina an-tanibe. Na izany aza dia mitazona ny rafi-dalàna common law i Hong Kong, rafitra izay tsy mitovy amin' ny an' i Sina, saingy nivoatra tamin' ny Marsa 2021 taorian' ny baikon' ny governemantan' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina.

Tombanana ho 7 333 200 ny mponina ao Hong Kong tamin' ny faran' ny taona 2022, ho an' ny velaran-tany 1 114,35 km2, na 6 581 mponina/km2 ny hakitroky ny mponina. Amin' ny maha tanàna ho an' ny olona maneran-tany an' i Hong Kong dia misy mponina manodidina ny 34 000 eo ho eo misitraka ny maha olom-pirenena britanika (nisy 25 500 tamin' ny taona 1996, taloha kelin' ny famerenana azy amin' i Sina) ankoatry ny olona an-tapitrisany manana zom-pirenena britanika nefa tsy olom-pirenena (British Nationals (Overseas)), manodidina ny 22 000 ny mponina misitraka zom-pirenena japôney, olona monina 60 000 manana zom-pirenena amerikana, 300 000 monina manana zom-pirenena kanadiana ary eo anelanelan' ny 18 000 sy 20 000 olona monina mizaka ny zom-pirenena frantsay, ireo vahiny ireo dia miasa amin' ny orinasa mahenika firenena maro na orinasa eo an-toerana, ary mipetraka ao miaraka amin' ny fianakaviany. Ny fiteny sinoa (kantôney indrindraindrindra) sy ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy roa ao amin' io tanàna io.