Ny atao hoe hena dia ireo sakafo izay misy hozatra, miaraka amina tavin-kena, ra, fitatitra, tsinay na jabora.[1] Izy io dia mety vokatry ny fiompiana na vokatry ny fihazana. Ny fihinanana hena dia iadian-kevitra ary tsindraindray mifady hena ny kolontsaina na ny finoana sasany. Azo raisina ohatra izao ny Mozilmana na ny Jiosy samy mifady henan-kisoa fa tsy mifady hena omby, raha vao vonoina araka ny fombany ilay biby.

hena

Famaritana ara-dalàna hanova

Araka ny fikambanana iraisam-pirenen'ny fahasalaman'ny biby, ny hena dia ireo zavatra rehetra azo hanina amin'ny biby. Araka ny fitsipika eoropeana, ny hena dia ireo zavatra azo hanina amin'ny biby, miaraka amin'ny ra. Ambaran'ny fikambanana iraisam-pirenen'ny fahasalamana fa "biby mampinono na manatody, ary koa ny tantely."

Ny lokon'ny hena hanova

Avy amin'ny miôglôbina ny lokon'ny hena satria ny hemôglôbina sisany dia dimy na folo isan-jaton'ny voan-doko totaliny raha ara-dalàna ny fomba famonoana ilay biby.

  1. Ayyıldız, Esat. “Klasik Arap Edebiyatında Et Motifi”. International Malatya Gastronomy Culture and Tourism Conference. ed. Aynur Ismayilova – Gunay Rzayeva. 19-24. Malatya: IKSAD Publishing House, 2022.