Fredy Jaofera izay Rakotomalala Eric Fredy Jaofera no anarany feno dia zafikelin' i Fredy Rajaofera ary samy poety izy mianaka. Zanaka lahimatoan' Itompokolahy Rakotomalala Eugène Louis (Ingénieur et Directeur des Batiments, Ingénieur et Directeur des Ponts et Chaussées, Ingénieur en Chef des Travaux Publics) sy Itompokovavy Rajaofera Elise (Vehivavy Malagasy voalohany mpanao gazety) izy. Mpirahalahy fotsiny ry zareo no zanaky ny ray aman-dreniny. Sarotra inoana toy ny gisa mainty no naha-mpanoratra an' i Fredy Jaofera fa nisy tokoa ny sakantsakana teo amin' ny fiainany : Mino ve ianao raha lazaiko hoe mafy tamin' i Fredy Jaofera no nandray ny penina sy nanoratra litera iray na roa tany am-boalohany tany an-dakilasy ? Mino ve ianao raha lazaiko hoe tsy nahay niteny malagasy i Fredy Jaofera tamin' ny fahazazany ? Anaram-bositra nomen' ny olona azy sy ny zandriny tany amin' ny raibeny sy renibeny teny Ambohipanja taloha ny hoe : "Gasy tsy mahay miteny gasy". Araka izany dia tantara mahavariana tokoa raha olona nanana fahasahiranana tamin' ny fianarana nanoratra an' ireo literan' ny abidia no tonga mpanoratra malaza aty aoriana ; mahalasa saina ihany raha olona mpiteny frantsay no nanjary poety malagasy ngezalahy. Tsy ampy ny hoe taranaka mpanoratra nisongadinana teo amin' ny haisoratra fa nilana fitiavana sy ezaka ombieny izany : Fitiavana tononkalo sy ezaka mifandraika aminy. Ny fotoana taty afara no nanamafy an' ireo. Ireto no boky efa nivoaka :

  • Teny roa
  • Nosy mamiko
  • Ny ranomasoko
  • Fiainana
  • Diavolana
  • Iarivo
  • Raozy
  • Tsetsatsetsa
  • Malagasy isika
  • Automne
  • Betsimihilana 1
  • Daty tsy azo hadinoina
  • Betsimihilana 2
  • Ny Tanindrazako
  • Alfa sy Omega
  • Firenena hombam-pitiavana
  • Onjam-pitia
  • Bemiray
  • Parisy
  • Fota-mandry
  • Madagasikara
  • Zotra
  • Ianao
  • Eritreritra
  • " Indrisy, ry taniko ! "
  • " Hiboka "
  • " Ny filozofiako "
  • " KRISMSASY "
  • " Journal Testament "
  • " Day and night "
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka biografia ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tao amin' ny Faribolana Sandratra izy taloha ary ankehitriny izy dia ao amin' ny Fikambanan' ny Poety sy Mpanoratra Malagasy. Mpanorina sy Filoha lefitra voalohany ny Fikambanan' ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa izy, Mpikabary sy mpanorina ny Fikambanan' ny Mpikabary Malagasy sampana Frantsa ary mpanorina sy filoha lefitra ihany koa ny Trano Kolotoraly Malagasy eto Frantsa. Manana ny mari-boninahitra "Chevalier de l' Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture par la République de Madagascar izy. An-koatra izany dia Mpitoriteny Nasionaly amin' ny Fiangonana Protestanta aty Andafy izy (FPMA). Tompon' orinasa sy mpampianatra ny taranja Anglisy no asany.