Fivavahana ao Kômôro

Ny fivavahana ao Kômôro dia anjakan' ny fivavahana silamo sonita manaraka firehana safeita. Misy koa ny Kristiana vitsy anisa.

Ny môskea lehibe ao Moroni

Ny silamo hanova

Ny ankamaroan’ ny mponina dia manaraka ny fivavahana silamo sonita manaraka fombam-pivavahana safeita. Ny silamo sonita manaraka fombam-pivavahana safeita no fivavahana manjaka ao Kômôro hatramin' ny Andro Antenatenany, nefa ahitana Indiana siita vitsy anisa koa ao izay misahana ny ampahany be amin' ny raharaham-barotra.

Manaraka ny silamo sonita, izay lasa fivavaham-panjakana, ny 98 %n' ny Kômôriana[1], fa ny sisa amin' ny Mozilmana kômôriana dia Siita, izay vitsy anisa sady iharan' ny fanenjehana.

Ny fidirana an-tsehatr' i Arabia Saodita amin' ny fiainan' i Kômôro (izay mampiasa ny volany hatramin' ny 40 tapitrisa dôlara tamin' ny taona 2017 araka ny famporisihan' ny filoham-pirenena Azali Assoumani) dia miteraka fanahiana eo amin' ny mpanara-maso iraisam-pirenena ny amin' ny hanjakazakan' ny oahabisma ao amin' ireo nosy ireo, sy ny voka-dratsy ara-pôlitika mety hateran' izany[2].

Fampifangaroana finoana hanova

Ao Ngazidja, ireo olema (teôlôjiana mozilmana sonita) dia mitahiry ny fomba fanao avy ao Afrika sy ny fanao silamo. Matetika dia mifanohitra ireo fanao roa ireo nefa izany no mampiavaka ny silamo ao Kômôro. Anisan' izany fanao izany ny lanonana fahatsiarovana ny maty (izay mampahatsiahy ny fombafomba vôdo), sy ny fisian' ny fombafomba misy fanaovana ody ampiarahina amin' ny finoana ny fanahy sasany (izay ampitovina amin' ny jiny).

Malaza manerana ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny fahaizan' ny Kômôriana amin' ny filalaovana ody sy amin' ny ôkoltisma, izay avy amin' ny finoan-drazana afrikana. I Ali Soilihi, izay mpitarika ny Fanjakana Kômôriana teo anelanelan' ny taona 1975 sy 1978 dia nanenjika fatratra ny mpanao izany fomba izany.

Ny kristianisma hanova

Vitsy anisa ny mponina kristiana ao Kômôro, izay ahitana Katôlika sy Prôtestanta, ka ny ankamaroany dia Malagasy sy mpiavy avy any Frantsa. Ny 2,1 %n' ny mponina ao Kômôro no Kristiana.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "The World Factbook – Central Intelligence Agency". cia.gov. 15 May 2007.
  2. Laëtitia Saint-Paul, « Compte-rendu de la mission aux Comores, du 14 au 19 octobre 2018 », sur laetitia-saint-paul.fr, 15 décembre 2018, citations reprises par Geoffroy Vauthier, « La commission des Affaires Étrangères étrille l'Union des Comores », Mayotte Hebdo, no 868,‎ 11 janvier 2019.